Misy raha ao

Ar 110 tapitrisa, Tsarasaotra, 6 6000 000 Ariary, môtô « scooter », anabaviny roa, tafatsaoka

Vendredi 16 Septembre 2011

Toerana efatra (Toliary, Antsirabe, Toamasina ary Antsiranana) no handray ny fihodinana voalohany ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Madagasikara na ny « THB Champions League 2011 » amin’ny fiafaran’iny herinandro iny.

Hanomboka rahampitso izany fifaninanana izany, izay handraisan’ireo ekipa 24 avy amin’ireo ligim-paritra 22, ka Itasy sy Analamanga no manana solon-tena roa avy. Ao anatin’ny folo andro (16 septambra – 25 septambra) no hamitàna izany.
Nozaraina ho vondrona efatra, arakaraka ny toerana misy ny faritra eto Madagasikara, izy ireo, ankoatra ny ekipan’ Analamanga faharoa. Ireto farany dia noho ny Cnaps Sport voahositra ho tompon-dakan’i Madagasikara farany sy AS Adema tompon’ny amboara no nahazoan’izy ireo toerana roa avy.

Ekipa roa avy isaky ny vondrona no miakatra ho eo amin’ny dingana faharoa amin’ity fifaninanana ity. Ao aorian’io vao ho fantatra ireo ekipa efatra hiatrika ny « poule des AS », izay hatao lalao mandroso sy miverina any Mahajanga sy Antananarivo.

Roméo Andriamihaja

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar