Misy raha ao

Asan- Jiolahy : tratra ilay voalaza fa namono miaramila

Samedi 5 Mars 2011

Lehilahy roa, voarohirohy ho isan’ireo mpanendaka mitam- piady eny amin’ny 67ha, manodidina ny Cenam sy Antohomadinika no nosamborin’ny fokonolona ny sabotsy teo.

Rehefa nohadiadiana ireto, dia niaiky sy nanondro ny namany iray, izay nosamborina tamin’io ihany. Nanondro ny namany telo hafa koa izy ireo.
« Ny iray tamin’ireo voasambotra rehetra ireo, antsoina hoe Rado kelimaso dia notazonin’ny havan’ilay miaramila nisy namono ny 23 novambra 2010, ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy », araka ny fanazavan’ny kaomisera Ranaivoson Alexandre, misahana ny seraseran’ny polisim- mpirenena.
Voalaza fa niaiky ihany koa i Rado kelimaso sy ireo nmany roa hafa ho naka an- keriny vehivavy iray sy ny zanany teny Andavamamba, ny 24 septambra 2010.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar