Misy raha ao

Asan-jiolahy : Avy aty Iarivo ireto tonga manafika any Arivonimamo

Mercredi 21 Septembre 2011

Tsy an-kiato. Nanomboka ny zoma alina, dia nitohy ny alahady hifoha alatsinainy ny fanafihana mitam-piadiana nataon’ny andian-jiolahy tao Arivonimamo.

Tokantrano efatra no lasibatra araka ny tatitra nataon’ny lietnà Tsaratiana Edgar Honoré, kaomandin’ny kaompanian’ny Zandarimaria. Efa voasambotra ny fito lahy ahiana ho nanao ireo fanafihana tany an-toerana, ka nambaran’ny zandary fa avy aty amin’ny 67ha, Isotry sy Antohomadinika ireo olon-dratsy.

I Miadamanjaka no nandalovan’ny jiolahy voalohany ka volamena mitetim-bidy Ar 3 tapitrisa, vilany sy kojakoja an-tokantrano no voaroba. Niampy fanolanana vehivavy tao an-trano nataona jiolahy dimy lahy izany, ny zoma alina. Nafatotr’izy ireo ny mpiambina.

Alika mpitsongo-dia

Ny toeram-pivarotana iray eny Ankijanameva, ao Ambatomirahavavy no notafihin’ny jiolahy efa-dahy koa. « Efa tafiditra ny tamboho voalohany voalohany sy nanapaka ny savily tamin’ny varavarana ry zareo. Tonga haingana ny zandary ka tratra ny efa-dahy », hoy ny tompon-trano.

Teo amin’ny fanafihana faharoa dia nanapa-kevitra ny naka alika mpitsongo dia teny Ivato ny zandary nisahana ny raharaha. Niara-nisalahy tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy ny Zandarimaria sy ny kaomisarian’ny polisy ao Arivonimamo ary lehiben’ny Fampanoavana. Nahomby ny asan’ilay alika mpitsongo dia ka nisy olon-dratsy iray voasambotra. Niampy roa izany omaly.

« Tao amin’ny trano fahefatra, dia tavela teo an-tokontany ny grenady iray sy satroka », hoy i lietnà Tsaratiana Edgar Honoré. Manohy ny fikarohana ny kaomisarian’ny polisy ao an-toerana.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar