Misy raha ao

Atletisma-Botsoana : Nisedra fahasahiranana ny atleta malagasy

Samedi 21 Mai 2011

Atletisma-Botsoana : Nisedra fahasahiranana ny atleta malagasy
Vao tetsy Ivato dia efa tsy lasa i Lorin Damien Razanadrafomba, atletan’ny Polisim-pirenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tany Botsoana.

Atleta telo no hany solontenantsika tany an-toerana tamin’ity dia i Reste Riri (izay niainga avy tany Maorisy) sy Blanc Pierre ary Manirison Jean Louis.

Ho an’ity farany dia tsy 400 misy fefy izay tena tokony nataony no nifaninanany tany noho ny fahataran’ny fanomezana « Dossard » sy ny « Badge » ho an’ireto delegasiona malagasy ity. Ny fahataran’ny fiaingana noho ny « risoriso nataon’ny mpiasa tao Afrika Atsimo », araka ny nambaran’ny lehiben’ny delegasiona no nahatongana izany. Raha tokony hanainga tamin’ny 7 ora maraina izy ireo dia tamin’ny 10 ora vao afaka tao Or Tambo .

Voatery najanona ihany koa teto ny 400m inefatra mifampitohy izay tokony nandraisantsika anjara noho ny tsy nahalasa an’i Lorin Damien.

Na izany aza anefa dia azo heverina fa mbola azo anarenana ny fe-potoana ho azy ireo mandra-pahatongan’ny Lalaon’ny Nosy satria mbola sokajy Cadet ny roa lahy tamin’ireo tany (RIri Reste sy Blanc Pierre).

Mialoha izany anefa dia hiainga ho any Lilles hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ataon’i Riri Reste ho an’ny Cadet.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar