Misy raha ao

Atsimo Atsinanana : Dahalo 5 maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Vendredi 24 Juin 2011

Ny 18 jona teo no nitranga ity raharaha ity tany Vondrozo any Atsimo Atsinanana. Dahalo dimy no indray matin’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Amoronteza.

Ny tarik’izany, avy any Ankarinarivo, any amin’ny distrikan’Ambalavao no voatondro ho nanao ny fanafihana ny tranom-barotra iray tao amin’ilay tanàna.

Voalaza fa notifirin’izy ireo teo amin’ny lamosiny ny tompon’ilay tranom-barotra, izay mbola tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ihosy. Vola 20 ka hatramin’ny 30 tapitrisa ariary no lasan’ireo voatondro ho olon-dratsy.

Nihetsika haingana nanenjika azy ireo ny fokolona ka ny iray tamin’ireo dahalo aloha no tratra. Raha ny fitantaran’ny avy any an-toerana dia mbola namaly izy io, ka avy hatrany dia novonoin’ny fokonolona izay efa maimbo rà tokoa tokoa. Nanohy ny fikarohana ny fokonolona ka tratra koa ny dahalo efatra hafa. Nanamparan’izy ireo ny fony ihany koa ka maty vokoa izy efa-dahy.

Nikaroka ny fitaovan’ireo voalaza ho dahalo tany amin’ny toerana niaingany ny fokonolona ka hita ny karapanondron’izy ireo sy vola ary ilay basy lava 12mm.

Na heverina ho ara-drariny aza indraindray dia voararan’ny lalàna tanteraka ny fanaovana fitsaram-bahoaka.

« Afaka mametraka fitarainana any amin’ny Zandarimaria ny fianakavianizay namoy havana amina tranga toy izao. Io fitarainana io no hahazoan’ny Zandarimaria manokatra fanadihadiana, hahafantarana izay mety ho nandray anjara tamin’ilay fitsaram-bahoaka », hoy ny mpisolovava, Me Ramanandraibe. Matetika anefa dia tsy misy sahy mitory izany ny fianakavian’ireo voatondro ho olon-dratsy.

Barphil Andriantsiferanarivo


N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar