Misy raha ao

« Bandes des 12 » : « Jiolahy » iray maty voatifitra teny Anosimahavelona

Mardi 25 Janvier 2011

Ahiana ho isan’ny olon-dratsy ao anatin’ny andian-jillahy iray antsoina hoe « Bandes des 12 », ny lehilahy iray mitondra ny solon’anarana « Rasta » ary maty voatifitry ny polisy teny Anosimahavelona tamin’ny sabotsy lasa teo.



Vola Ar 50 000 sy kojakoja an-tokantrano no fantatra fa nangalariny. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no tonga teny Anosimahavelona ny Polisin’ny SAG sy BSI, taorian’ny vaovao azon’ny mpitandro ny filaminana, ka nanoro ny toerana nisy an-dRasta. Rehefa nanao fahirano ilay toerana ny polisy, dia tsy nanaiky ny baiko nomen’izy ireo mba hivoaka tsy mitam-piadiana io lehilahy io. Nitsambikina avy hatrany teny am-baravarankely, miaraka amin’ny basy PA, Rasta. Nitifitra ny polisy ka voa teo ambany heliny iry farany ary niteraka ny fahafatesany izany.

Rehefa nosavaina teo anatrehan’ny filoham-pokontany ny tranony dia nahitana « rice-cookers » efatra vaovao be, « lampes de poches », taratasy fifindra-monina efa voasonia, basy PA feno bala sy fahana ary boaty feno bala roa. Nahitana rongony roa fonosana ihany koa tao an-tranony.

Raha ny fantatra dia voarohirohy ho nanafika tranona Polisy teny Tanjombato sy teny Anosizato Rasta, ao anatin’ilay andian-jiolahy « Bande des 12 ».

B.A
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar