Misy raha ao

Baolim-behivavy : Nandresy tamin’ny "tir au but" ny FC FA Vakinankaratra

Mardi 6 Septembre 2011

source tanalife.com - photo serge herisoa
source tanalife.com - photo serge herisoa
Lalao isan’ireo tena nahitana baolin amaty betsaka indrindra teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy vehivavy ny fihaonana teo amin’ny FCFA Vakinankaratra sy ny Sporting avy any Boeny.

Ny sabotsy teo teny amin’ny kianjan’i Carion no nanaovana ny lalao, izay nisarahan’ny roa tonta tamin’ny alalan’ny ady sahala 3 no ho 3 teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna, ka nahatonga ny fidirana tany amin’ny "tir au but". Teo vao tafavoaka ho mpandresy ny FCFA Vakinankaratra, tamin’ny alalan’ny isa 3 no ho 1.

Sahirana ihany koa ny Prescol avy any Antsirabe nanoloana ny Asot, solontena faharoa ho an’Analamanga, izay voatery niditra tamin’ny alalan’ny "tir au but" niafara 4-3 rehefa nisaraka tamin’ny alalan’ny isa 0 no ho 0 teo amin’ny fe-potoana ara-dalàna. Ambivitra kosa no tsy naharesy ny Aska, lefitry ny tompondakan’i Madagasikara farany teo anarehan’ny Ascuf avy any Matsiatra Ambony. Hitohy anio eny amin’ny kianjan’Alarobia ny fifaninanana.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar