Misy raha ao

Baolina Kitra-Alfa : Hifanozongozona toerana ny Iarivo FC sy ny Ajesaia

Jeudi 30 Juin 2011

Baolina Kitra-Alfa : Hifanozongozona toerana ny Iarivo FC sy ny Ajesaia
Lalao iray goavana hanamarika ny andro faha-15 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny « ligue 1 » ny fifanandrinana eo amin’ny Iarivo Football club sy ny Ajesaia.

Samy ao anatin’ireo dimy voalohany vonjimaika ireo ekipa roa ireo, saingy manatombo kosa eo amin’ny isa ny ekipan’i Taninkatsaka. Eny Carion rahampitso no hanaovana izany fihaonana izany.

Mialoha io anefa dia lalao roa no hanombohana ny andro faha-15. Isan’ireny ny fihaonana eo amin’ny Tana Formation FC sy ny Vesta Team FC. Toy izany ihany koa ny fifanadrinan’ny AS Saint Michel (farany eo amin’ny falaharana vonjimaika) sy ny AS Adema (laharana faharoa).

Hitohy avy hatrany amin’ny alahady ho avy izao ny andiany faha-16 amin’ny fifaninana. Lalao goavana avokoa no hanamarika izany amin’io. Isan’ireny ny fihaonana eo amin’ny Japan Actuel’s sy ny Iarivo Football Club, izay hanoheran’i Auguste Raux ny ekipan’i Ashock Nunkomar. Toy izany ihany koa ny fifanandrinana eo amin’ny AS Adema sy ny Tana Formation FC.

Roméo Andriamihaja

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar