Misy raha ao

Baolina Kitra Alfa : Hiverina an-kianja amin’ny izay ny Tana Formation FC

Samedi 19 Mars 2011

Baolina Kitra Alfa : Hiverina an-kianja amin’ny izay ny Tana Formation FC
Taorian’ny tsy nahita firy ny Tana Formation FC tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, dia hiverina amin’ny fiadiana ny ho tampondakan’ny Analamanga izy ireo amin’ny sabotsy izao.

Ny Vesta Team FC, izay ekipa mbola tsy resiny mihitsy hatramin’izay, no hifanadrina amin’izy ireo amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny andro fahefatra ha na’ny fifaninanan’Analamanga izany. Ny roa amin’ireo lalao efatra vitan’ireo klioba sasany ihany aloha hatreto no mbola natrahan’ny ekipan’ny La Pimprenelle Andoharanofotsy. Faharesena iray teo antrehan’ny Ajesaia (2-1) sy fandresena iray nanoloana ny AS Saint Michel (1-0) no manome isa telo ho azy ireo amin’izao.

Lalao fahefatra kosa ho an’ny Vesta Team FC no hatrehany amin’ny sabotsy. Raha ny vokatra ho azy ireo dia mila ezaka mafimafy ihany mba hialana amin’ny isa tokana. Faharesena roa nanoloana ny Japan Actuel’s (2-1) sy Ajesaia (2-1) miampy ady sahala iray tamin’ny lalao’izy ireo sy ny Dartline FC (0-0) no azon’izy ireo hatramin’izao, ka hipetrahany eny amin’ny faritra mane ho an’ireo ekipa folo mandray anjara amin’io fifaninana io.

Milahatra aorian’io lalao io ny fifanandrinana eo amin’ny Ajesaia, izay manan ias 6, sy ny Iarivo Football Club (isa 2).

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar