Misy raha ao

Baolina Kitra-Alfa : Nifoha tamin’ny torimasony ny AS Saint Michel

Mardi 21 Juin 2011

Baolina Kitra-Alfa : Nifoha tamin’ny torimasony ny AS Saint Michel
Niposaka ny anjara masoandron’ny AS Saint Michel. Lavon’ny ekipan’ny Amparibe tamin’ny alalan’ny isa 3 no ho 1 ny Vesta Team FC, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina.

Fandresena tao anaty alahelo ihany anefa ny azy ireo tamin’ity, satria vao ny omalin’io no nalevina teny Sabotsy Namehana ny mpilalao isan’ireo namiratra tao amin’izy ireo, i Mika Andrianasy. Nisalotra fehitanana mainty avokoa ireo mpilalao ho fisaonana ity mpanazatra, izay nampakatra azy ireo ho eo amin’ny diviziona voalohany, ity.

Nifanohotra tamin’izay kosa ny nanjo ny AS Adema omaly, izay lavon’ny Iarivo Football Club tamin’ny isa 1 no ho 0. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny alalan’ny isa 3 no ho 1 ihany koa ny Japan Actuel’s nanoloana ny Dartline tamin’io andro io.

Hatreto aloha dia mbola ny ekipan’i Manjakaray no mitarika vonjimaika eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga ity. Samy nisaraka ady sahala 1 no ho 1 avokoa ny Cospn sy ny Ajesaia, ny Cosfa sy ny Tana Foramation FC tamin’ny alahady.

R.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar