Ligy notsipihan’ny filohan’ny federasiona manokana tany Mahajanga nandritra ny tomban’ezaka nataony fa « tena manao ny asany amin’ny tokony ho izy » ny ligin’Analamanga. Saika nandray anjara hatrany rahateo teo amin’ny fifaninanana nokarakarain’ny federasiona izy ireo tamin’iny taona iny. « Hanomboka amin’ny fiandohan’ny volana febroary ny taom-pilalaovana ho an’ny ligy », hoy ihany ity filohan’ny Alfa ity. Isan’ireo fanovana ataon’izy ireo amin’ity fanomanana fifaninanana ho an’ireo mpilalao mpisolo toerana ho an’ireo ekipa diviziona voalohany 10 mandray anjara amin’ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’Analamanga.
« Natao izany mba hampiakarana tanteraka ny lentan’ny baolina kitra eto amin’ny ligy misy anay », hoy ihany ity filoha ity.
R A