Ekipa 50 no nisoratra anarana handray anjara amin’izany.
« Amin’izao andiany voalohany izao dia mbola basy mamahan-tena ihany aloha ny ligy. Amin’ny andiany faharoa vao mihevitra ny hitady mpanohana, satria miainga avy amin’ireo ankizy ireo ny ho avin’ny baolina kitra malagasy », hoy i Henintsoa Rakotoarimanana na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga eo amin’ny baolina kitra.
Noferana ho 10 minitra indroa miditra ny fe-potoana ho an’ny lalao ira amin’ity fifaninanana ity ary ny paikady 310 (mpandresy : isa 3, ady sahala : isa 1, resy : isa 0) no hampiasaina amin’ny maha fiadiana ny ho tompondaka azy. Saika ireo ekipa manana tanjona hiatrika lalao iraisam-pirenena sy ireo efa nandray anjara tamin’izany no nirotsaka ho amin’ity fifaninanana ity. Isan’ireny ny Etoile Filante, Tsimialonjafy FC, Asfa 2, Ajesaia, ASFM, Net Foot sy ireo hafa. Fahabangana kosa ny tsy nandraisan’ny AS Rôrô sy ny FC Dragon ary ny FC Tana, izay isan’ireo taninketsa, anjara tamin’izany.
Roméo Andriamihaja