Misy raha ao

Baolina Kitra - Cosafa : Nody maina ny Barea

Vendredi 9 Décembre 2011

Niverina niaraka amin’ny tanan-polo omaly ny ekipam-pirenena zandriny niatrika ny « Metropolitan Cosafa U20 Youth Championship », izay notontosaina tany Botsoana tamin’ity herinandro ity.

Tsy tafavoaka ny vondrona nisy azy ary tsy nahita fahendrena mihitsy izy ireo nandritra ity fifaninanana ity. Faharesena indroa (Angola sy Namibia) niampy ady sahala iray (Zimbaboe) no vokatra azon’ireto mpilalaon’i Amada Aboudou ireto tany an-toerana.

Ny talata alina teo dia tamin’ny alalan’ny isa 5 no ho 5 no nisarahan’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena zimbaboeanina, izay namarana ny dingan’ny fifanitsanana tamin’ity fifaninanan’ny Cosafa ity. Omaly no niverina an-tanindrazana ny delegasiona malagasy avy niatrika azn’izany hetsika izany.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar