Misy raha ao

Baolina Kitra-Fifa : Nihemotra ho faha-160 ny Barean’i Madagasikara

Vendredi 23 Décembre 2011

Very fotoana telo tamin’ny filaharana farany teo amin’ny Fifa i Madagasikara nandritra ny fandaharana farany ireo firenena mpikambana ao aminy tamin’ny 21 desambra lasa teo. Ny federasiona iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra no nandahatra izany.

Nihemotra ho eo amin’ny laharana faha-160 ny Barean’i Madagasikara amin’izao fotoana izao saingy mbola any aoriany avokoa ireo firenena mpiray fari-dranomasina aminy toa an’i Maldives (174), Kaomoro (187), Seychelles (188) ary Maorisy (194). Ireo firenena Afrikanina taraiky eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra sisa no any aorian’i Madagasikara raha io filaharana farany io no atao indray mijery.

Tsy nisy fiovana kosa ireo firenena 19 efa nitarika izany filaharana izany teo amin’ny toerana. Isan’ireo tafiditra ho ao anaty « Top 15 », ireo firenena 15 voalohany, i Frantsa raha mbola i Espana ihany no mitarika ny filaharana. Amin’ny 18 janoary 2012 izao indray no hisy fikitihana io fandaharan’ny Fifa ireo mpikambana ao aminy io. Arakaraka ny voka-dalao vitan’ny tsirairay hatrany no mampiakatra na mampidina ny toerana misy azy amin’izany.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar