Misy raha ao

Baolina Kitra - karate - tenisy...

Mardi 10 Janvier 2012

baolina kitra

Andriamiharinosy Augustin na i Baovola (source photo : tanalife.com)
Andriamiharinosy Augustin na i Baovola (source photo : tanalife.com)
Vonona hirotsaka hofidiana ho filohan’ny federasiona malagasy taranja baolina kitra, i Andriamiharinosy Augustin na i Baovola. Fanambarana izao nataony taorian’ny fihaonany tamin’ny ministriny ny Fanatanjahantena malagaasy, Gerard Botralahy, ny zoma lasa teo izany. Mahatsapa ny fihemoran’ny baolina kitran’ny Club M ity ka vonona hitondra ny anjara birikiny hampiakatra izany.


Karate

Baolina Kitra - karate - tenisy...
Hijanona tsy hiatrika fifaninanana intsony i Thierry Ramanankoresy, tompondakan’ny Madagasikara eo amin’ny sokajin-danja mihoatrany 80kg. Nitodi-doha ho any amin’ny asa fiarovana olona ambony (garde du corps) ity mpikatroka avy ao amin’ny klioban’ny Cosfa ity. Niavaka tamin’ny fananany vatana vaventy sy ranjanana i Thierry ary nampahazo tombony ho azy izany. Na izany aza dia efa manomana ny zanany vavy, vao valo taona monja handimby azy izy.

Tenisy

Baolina Kitra - karate - tenisy...
Nihena be ny isan’ny mpilalao malagasy handeha hiatrika ny handeha hiatrika ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, eo amin’ny taranja tenisy sokajy latsaky ny 14 taona sy latsaky ny 16 taona.

Tsy hanana solontena eo amin’ny sokajy U16 isika. Telo ihany koa no mba hiady eo amin’ny U14 dia i Randy Rankotondraboa ho an’ny zazalahy. Hanomboka ny 14 janoary ho avy izao any Windhoeck Namibia, ity fifaninanana ity. Nandrombaka medaly volamena isaka tamin’ny taon-dasa tamin’ny alalan’i Andritokiniaina, ka mila miady mafy mba hitazonana izany izany anaram-boninahitra izany fara faharatsiny.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar