Misy raha ao

Baolina Lavalava : Zava-baovaon’ny taona 2012 ny fifaninanana "Top 6"

Samedi 7 Janvier 2012

"Hatomboka amin’ity taona ity ny fifaninanana ho an’ireo ekipa avy any amin’ny faritra hifandranandrina eo amin’ny diviziona voalohany elita faharoa", hoy i Marcel Rakotomalala, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava.

Navodrona ho ao anaty "Top 6" ireo roa voalohany isam-bondrona tamin’ny fifaninanam-pirenena farany ho an’ny diviziona faharoa ka hiatrika izany. "Fomba iray hoentina mampiakatra ny lentan’ireo ekipa avy any amin’ny faritra izy ity", hoy ihany ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava.

Isan’ireo hifanandrina amin’izany i Diana, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Vakinakaratra, Itasy ary Analamanga, izay tafavoaka tamin’ny taona 2011.

Hivondrona ao anaty fifaninanana ho an’ny diviziona faharoa kosa ny solontenan’i Boeny, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Ihorombe, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania. Iroe roa voalohany tafavoaka amin’ireto faritra farany no hiakatra ho ao amin’ny "Top 6", hisolo ireo roa farany amin’ity taona ity.
Tsy hisy fiovana firy kosa ny fandaharam-potoana ho an’ny federasiona ho amin’ity taona 2012 ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona hatrany. Isan’iroe zava-dehibe ihany koa anefa ny fisian’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny "rugby a 7", izay hatokana ho an’ny tanora latsaka ny 18 taona sy ny Senior lehilahy ary "Open" ho an’ny vehivavy.ankoatra izany ny fampandraisana anjara ireo orinasa vonona ny hiara-hiasa amin’ny federasiona amin’ny alalan’ny fifaninanana rugby amina tora-pasika na ny "rugby beach".

Roméo Andriamihaja

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar