Misy raha ao

Baolina kitra-Alfa : Nosemporin’ny Polisy ny Ajesaia, sahirana vao nandresy ny Tana FC

Vendredi 15 Avril 2011

Baolina kitra-Alfa : Nosemporin’ny Polisy ny Ajesaia, sahirana vao nandresy ny Tana FC
Tsy tafavoaka tamin’ny ekipan’ny Ajesaia omaly ny ekipan’ny polisim-pirenena(Cospn), tetsy amin’ny kianjan’Alarobia.

Nisaaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny roa tonta tamin’ny ity ary samy nahazo karatra mena iray avy.

Tsy nahavita ny rindran-dalao fanaony nampakivy azy ny ekipan’i Taninkatsaka tami’ny lalao ity. Ny polisim-pirenena indray no tena nahavita fanafihana nisesisesy, saingy teo amin’ny famonoam-baolina no lesoka.

Teo alohan’izany dia nivoaka ho mpandresy tamin’ny alala’ny isa 1 noho 0 n Tanà Formation. Baolina nomen’i Angelot na i Lolot ,izay mpilalao nila ravinahitra tany Maorisy, an’i Bela teo amin’ny minitra faha-47 no nahaoan’ny Tana Formation an’io asa io.

Hihaona amin’ny AS Adema izy ireo amin’ny sabotsy ho avy izao, izay lalao natokona hanampiana ireto ekipan’Ivato ireto amin’ny fandehanany any Maroaka amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaofederasiona. « Ny vola azo rehetra dia atokana ho an’ny AS Adema avokoa.

Noho izany dia tokony handray anjara avokoa ny rehetra. », hoy i Henintsoa Rakotoarimanana na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar