Misy raha ao

Baolina kitra- Alfa : Novonoin’ireo mpilalao teo aloha ny Ajesaia

Samedi 5 Mars 2011

Baolina kitra- Alfa : Novonoin’ireo mpilalao teo aloha ny Ajesaia
Baolina roa nampidirin’i Sitraka (48’) sy Jean Ba (86’), izay mpilalao tao amin’ny Ajesaia teo aloha, nifindra any amin’ny AS Adema, no naharesy ny ekipan’i Taninkatsaka, omaly teny Mahamasina.

Niakatra ho any amin’ny laharana voalohany mitovy amin’ny Japan Actuel’s tampoka, taorian’ny andro faharoa ho an’ny fiadana ny hio tompondakan’i Madagasikara ny ekipan’Ivato Seranana. Isa 2 no ho 1 no nisarahan’ny roa tonta na dia notarika tamin’ny isa aza ireo zandrikelin’Itaosy. Raha ny filaharana vonjimaika dia ny AS Adema sy ny Japan Actuel’s no mitarika amin’ny isa 4. Manana isa 4 tahaka azy ireo ihany koa ny ekipa vao niakatra (Dartline). Mitovy kosa ny isas, samy 3, eo amin’ny Ajesaia, saingy ny baolina nampiditra no nampiavaka azy ireo.
Eo amin’ny laharana fahenina sy fahafito kosa ny Cospn sy ny Cosfa, samy manana isa 2. Milahatra any amin’ny farany amin’ny alalan’ny isa tokana avy kosa ny Assm, Vesta Team ary ny Iarivo FC.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar