Misy raha ao

Baolina kitra : Fanafihana totoafo no tetik’adin’ny Barea U-23

Samedi 9 Avril 2011

« Tsy maintsy mamono baolina ao anatin’ny 15 minitra raha te hitady fandresena », hoy i Frank Rajaonarisamba, mpanazatra nasionaly ao amin’ny Barean’i Madagasikara, latsaky ny 23 taona.
Barean’i Madagasikara, latsaky ny 23 taona...
Barean’i Madagasikara, latsaky ny 23 taona...

Isan’ireo nanamafy ity tetikady fanafihana totoafo ity ny niantsoana an’i Voavy Kassa, izay lohalaran’ny Ajesaia.

« Tsy fahamatorana kely teo amin’ny famonoam-baolina no nahatonga ny faharesena tany Alzeria. Amin’ity dia efa vonona izahay ny hanonitra izany ary hiezaka ny hanamafy ny fifandraisana eo aminay, izay isan’ny fototra niandohan’ny olana », hoy i Tahina Randrianarisoa, kapitenin’ny Barea latsaky ny 23 taona nasoloa an’i Sedera Andriamparany, izay tsy tonga.

Hatreto aloha dia mitentina 300 tapitrisa ariary ny vola natontona tamin’ny fanomanana ity fihaonana ity, araka ny nambaran’i Stanislas Rakotomalala, sekretera jeneralina’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. Heverina fa tsy hanao kitoatoa io lalao io izy ireo.

Raha ny fanirian’ireo mpijery dia mila fandresena i Mahamasina hanohizana ny vintana efa naverin’ny Barea zokiny sy ny AS Adema tao anatin’ny roa herinandro. Heverina fa miankina tanteraka amin’ny fanohanan’ny mpijery ihany izany, araka ny nangatahan’ireto mpanazatra sy kapitenin’ny Barea ireto.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar