Misy raha ao

Baolina kitra : Manam-pahaizan’ny Fifa manofana ireo mpitsara gasy

Jeudi 7 Juillet 2011

Baolina kitra : Manam-pahaizan’ny Fifa manofana ireo mpitsara gasy
Miatrika fiofanana etsy amin’ny Hotel Grand Mallis, Analakely ao anatin’ny dimy andro ireo mpitsara baolina kitra malagasy.

Manam-pahaizana manokan’ny Fifa efa-dahy (Tonizianina : Boubaker Hannachi, Ejyptianina : Amed Elsami, Maraokanina : Yahya Hadqa ary Burundi : Bernard Mubusa) no mitarika izany fifaninanana avo lentan izany.

« Fanamafisana ny ambaindain’ny fitsarana baolina kitra izy ity. Tanjona ny hanomezana azy ireo ny lalàna vaovao ho an’ny lalao, izay tsy mitsahatra ny mihavao hatrany. Tolorana mari-pankasitrahana ireo mpitsara 27 mandray anjara aorian’ny fiofanana », araka ny nambaran’i Boubaker Hannachi, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly.

Fotoana iray hoentina mampitovy ny tadin-dokangan’izy ireo amin’ireo mpitsara rehetra maneran-tany izany. « Heveriko fa tsara ny manaraka izany fiofanana izany satria rehefa tonga mpitsara ianao dia azo heverina ho voaozona ihanatra mandra-pijanonana », hoy i Heriniaina Zarasoa Rakotondramanana, mpitsara nasionaly avy any Antalaha izay manana ny ho aviny amin’ny fitsarana baolina kitra.

R.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar