Misy raha ao

Baolina kitra : Mpila ravinahitra 13 hanatevina ny Barea U-23 sy Bara zokiny

Jeudi 10 Février 2011

Baolina kitra : Mpila ravinahitra 13 hanatevina ny Barea U-23 sy Bara zokiny
Hiara-dalana manomboka anio ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy (Barea) zokiny sy ny latsaky ny 23 taona, eny Carion. Ho an’ity farany dia fanindroany izao no hanaovana ny fampivondronana, raha voalohany kosa ho an’ny Barea Senior.

Samy namoaka ny anaran’ireo mpilalao nantsoiny avy i Frank Rajaonarisamba (mpanazatra ny U-23) sy Mosa (Mpanazatra ny Senior) hiatrika izany fanazarantena iraisana izany. Hatramin’ny 23 febroary io fiarahana io.

Ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona dia mpila ravinahitra telo mirahalahy no nantsoin’ny mpanazatra dia i Sedera Randriamparany (La Réunion) sy Ibrahim Hamada ary Tony Mamodaly (Frantsa). Ny fifanintsanana ho an’ny Lalao Olympika, izay hatao any Londres, no homanin’izy ireo amin’izany. Mahatratra 10 kosa ireo mpilalao mpila ravinahitra any ivelany nantsoin’i Mosa hanatevina ny ekipam-pirenena.

Na izany aza anefa dia efa nanamafy ity mpanazatra ity fa « miankina amin’ny fahaiza-manaon’ireo mpilalao avy eto an-toerana ny fihenana na fitomboan’ireo mpila ravinahitra hotazonina ». Isan’ireo nantsoina ry Jean Chrysôstime Raharisona na i Bota (mpiandry tsatokazo atsy La Réunion), Pascal Razakanantenaina na i Bapasy (FC Avion), Beria Franck (Lilie), Valery Rakotoarinosy na i Solo Moto (Seychelles), Mamy Gervais Randrianarisoa (La Réunion), Nomenjanahary Lalaina na i Bolida (FC Avion) ary ireo mpilalao hafa avy any Frantsa toa an’i Johan Paul, Arsène Faed, Claudio Ramiadamanana ary Voary Paulin.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar