
Aty Afrika dia isan’ireo mpitsara mpanampy voalohany i Pélagie ary efa imbetsaka no nitsara lalao iraisam-pirenena. Ankoatra azy dia isa’ireo notendren’ny kaonfederasiona afrikanina ho an’ny baolina kitra ihany koa i Nampiandraza Hamada, izay mpitsara afovoany iraisam-pirenena. Efa nitantana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona ihany koa izy. Lalao telo no notsarainy tamin’izay ka ny iray dia ny fiadian-toerana fahatelo.
Manana solotena eo amin’ny baolina kitra ihany isika any Maputo na dia tsy isan’ire hiatrika ity Lalao Afrikanina ity aza ny Barean’i Madagasikara noho ny fanapahan-kevitry ny ministeran’ny Fanatanjahantena.
Hany taranja iraisana handraisantsika anjara ny handball, izay nijanona teto an-tanindrazana hatrany nandritra ireo lalao iraisam-pirenena nifanesy.
R.A