Misy raha ao

Baolina lavalava : Lasan’ny Makis U-17 ny amboaran’i La Réunion

Mardi 28 Juin 2011

Baolina lavalava : Lasan’ny Makis U-17 ny amboaran’i La Réunion
Nositranin’ny Makis, latsaky ny 17 taona, tatsy La Réunion, ny ratra nanjo ny rugby malagasy, vao tsy ela akory izay.

Norobahin’ity ekipam-pirenena, sokajy cadet, ity teo anatrehan’ny ekipa voafantin’i la Réunion teo amin’nylalao famaranana ny amboara tamin’ity fifaninana baolina lavalava lalaovin’olona fito ity.

Tamin’ny isa 21 no ho 19 no nandresen’ny ekipan’i Berthin Rafalimanana na i Berthin Zoto, ny ekipa mpampiatrano teto. Firenena valo isan’ireo goavana eo amin’ny baolina lavalava on nanoina ny antsoin’i La Réunion tamin’izany.

Teo amin’ny laharana fahadimy tamin’ireo ekipa valo kosa no nisy ny Makis vehivavy noetin’i Marie Eric Randrianarison na i Eric Sefo tamin’ity fifaninanan ity. Ny ekipan’i Nouvelle Calédonie no lovantsika teo amin’ny’ fiadian-toerana tamin’izany.

Omaly tamin’ny 9 ora alina no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ka nahazo fitsenana makotroka ireto solontena malagasy ireto. Heverina fa vokatra tsara ho an’ny baolina lavalava malagasy izany na dia teo aza ny alahelon’ny rehetra tamin’ny faharesena goavana tany Ouganda.

R.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar