Misy raha ao

Baolina lavalava : Miandry ny Makis i Ouganda, Côte d’Ivoire ary Zimbaboe

Lundi 14 Mars 2011

Vondrona malemy maozatra no misy an’i Mdagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny Rugby, senior lehilahy.
Baolina lavalava : Miandry ny Makis i Ouganda, Côte d’Ivoire ary Zimbaboe

Hotontosaina any Ouganda amin’ny 6-13 jona ho avy izao ny fifaninanana ho an’ny vondrona 1B, izay misy antsika sy i Ouganda, Côte d’Ivoire ary Zimbaboe. « Tsy maintsy atrehantsika avokoa ireo fifaninanana rehetra iraisam-pirenena misy antsika min’ity taona ity. Atao fanamby izany ary hiezaka izahay hitady ny hoenti-manana ho amin’izany », hoy i Marcel Joseph Rakotomalala, filohan’ny federasiona malagasin’ny Rugby.

Hizara roa lehibe ireo fifaninanana iraisam-pirenena amin’ity dia ny eo anivon’i Afrika sy ary amin’ny Ranomasimbe Indianina. Horaisin’i Mahamasina amin’ny 14 mey ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina, izay handraisan’i Mayotte, Maorisy, La Réunion ary Madagasikara anjara. Ankoatra an’io dia hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena atsy La Réunion ihany koa ny Makis vehivavy sy junior amin’ny 24-26 jona ho avy izao.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar