Misy raha ao

Baomba teny masay ; Anaran’olona 4 ahiahiana, havoaka ampahibemaso

Samedi 12 Mars 2011

Baomba teny masay ; Anaran’olona 4 ahiahiana, havoaka ampahibemaso
Alanenina farany. Miandry ny fipoiran’ireo olona efatra isan’ny ahiahiana tamin’ilay fanapoahana baomba nikendrena ny fiaran’ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ny mpanao famotorana.

Raha tsy miroso amin’izany izy ireo dia mihevitra ny hampafantatra ny mombamomba azy ireo ampahibemaso ny mpitandro ny filaminana.

« Raha mbola minia misitrika ireo dia tsy maintsy havoaka an-gazety ho fantatry ny besinimaro, na tsy dia fanao loatra aza izany. Misy mpiambina olona ambony amin’izy ireo. Misy ihany koa ny efa intelo nosavaina ny tranony kanefa mbola miafina ihany », hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard, omaly.
Manahy ny mpitandro filaminana sao sanatria mety hikotrika zava-dratsy hafa indray ireo ahiahiana.
« Vao ahiahy ny anay ka izay no ilaina ny fipoiran’ireo olona ireo hahazoana manadihady azy. Rehefa mihaona aminay, tsy hoe avy hatrany dia hotanana am-ponja. Efa azo adika ho misy tsy mampandry saina koa anefa matoa miafina », hoy ihany ny lehiben’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria eto Antananarivo.

Lalan-kevitra telo no hanompanana ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity. « Tsy olona manodidina ny Filoha Andry Rajoelina ? Tsy olona avy amin’ny mpiambina azy koa ? Tena fikasana hamono ve sa fampihorohorona, izay nikendrena inona ? izany rehetra izany izao no zohianay », araka ny fanazavan’ny jeneraly Richard Ravalomanana hatrany.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar