Misy raha ao

Barean’i Madagasikara : Mety hiala maina i Jean Paul Rabier

Jeudi 27 Janvier 2011

Jean Paul Rabier
Jean Paul Rabier
Mialoha ny hanesorana an’i Jean Paul Rabier dia nanitsy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena tamin’ny fanambarana fa « tsy hisy ny mety ho tamby omena azy », aorian’ny hivoahan’ny fampiatoana ity teratany frantsay ity.

« Vokatry ny fandikany ny fifanarahana no anton’izany ka tsy tokony hisy ny tambim-panesorana omena io mpanazatra io », araka ny nambaran’i Odilon Tsilihy, talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.

Isan’ireo fandikana ny fifanarahana nataon’i Jean Paul Rabier ny « tsy nety nialany tao amina hotely lehibe na dia efa nampisafidianina villa tsy latsaky ny 20 aza », araka ny voalazan’ny minisitra tamin’ny fanambaràny voalohany ny amin’ny mety hanesorana azy. Ankoatra izany dia tsy nety nanao tatitra mihitsy izy hatramin’izay na dia efa niangavian’ny mpanakarama azy (fanjakana) aza izy hanao izany an-taratasy. Nihizingizina tamin’ny heviny ity mpanazatra ity fa tsy hanao tatitra an-taratasy fa kosa nikasa ny hanao izany am-bava raha ny fantatra. « Aleo hanasoavana ireo teknisianina malagasy sy ireo mpilalao ny vola tokony omena azy », hoy ny minisitra.

Efa niely tao amin’ny federasiona malagasin’ny baolin akitra rahateo ny fisian’ny mpanazatra malagasy hitantana indray ny Barean’i Madagasikara tamin’iny faramparan’ny herinandro iny. Isan’ireo voatonontonona tamin’izany i Moussa Fabrice sy Titi Rasoanaivo ary i Nirina Andrianjoelison na Raniry. Andrasana izay mety hivoahan’izany amin’ny fomba ofisialy ato ho ato.

Roméo Andriamihaja
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar