Misy raha ao

Basket Ball –« Tana Ville » : Hiha hentitra kokoa ny seksiona

Mercredi 19 Janvier 2011

Basket Ball à tananarive - source tanalife.com
Basket Ball à tananarive - source tanalife.com
« Ho mafimafy kokoa amin’ity taom-pilalaovana 2011 ity ny fampiharana ny fitsipika eo amin’ny basket ball », hoy i Hérvé Razafindrahaga, sekretera jeneralin’ny seksionan’Antananarivo renivohitra amin’ity taranja ity, nandritra ny tatitra moraly nataony nandritra ny fivoriambe fanao isan-taona ny sabotsy lasa teo. Solontenana klioba 10, amin’ireo 16 misy eo amin’ny seksiona, no niatrika izay fivoriana natao teny amin’ny Café du Parc Tsimbazaza izany.


Nandritra io fotoana io no nahazoan’ny ekipan’i Francis Rapiera indray ny fitokisany tamin’ireo klioba 8, ny amin’ny hanohizana ny fitantanana ny seksiona.

Nambaran’ity sekretera jeneraly ity fa « nisy ireo indro kelin’ny mpandrafitra tamin’ny fanatontosana an’iny taom-pilalaovana iny ». Fifaninanana 6 tamin’ireo 14 no tsy vita, noho ny fahateren’ny fotoana sy ny kianja. Na izany aza anefa dia azo heverina fa isan’ireo seksiona nahavita ampahany betsaka tamin’ny fandaharam-potoanany izay ireo miohatra an’ireo hafa.

Hosokafana amin’ny 5-6 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana ho an’ny seksionan’Antananarivo, raha ny fandaharam-potoana manaraka. Hanomboka izany ny fiadiana ny ho tompondakan’Antananarivo renivohitra ho an’ny sokajy N1B lehilahy, izay tsy maintsy hofaranana amin’ny 26-27 marsa ho avy izao. Nampifanarahana tamin’ny fandaharam-potoanan’ny ligin’Analamanga sy ny federasiona malagasin’ny basket ball ny fandrafetana an’ity fandaharam-potoanan’ny seksiona ity.

R A
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar