Misy raha ao

Behoririka : Mpiasan’ilay sinoa teo aloha ny iray maty

Samedi 26 Mars 2011

Noraisin’ny Borigady misahana ny heloka bevava ao amin’ny Polisim-pirenena ny fanadihadiana ilay tranga teny Behoririka, nahafaty lehilahy roa, izay voalaza fa saika handroba tao an-tokantranona Sinoa iray afak’omaly alina.

«Nampidirina hopitaly io Sinoa io taorian’ny ratra nahazo azy. Nisy lehilahy iray voalaza fa naman’iretsy roa lavon’ny bala kosa dia voasambotry ny polisy, ary efa nalaina am-bavany », hoy ny kaomisera Ranaivoson Alexandre, misahana ny Seraseran’ny Polisy.
Izany Marco izany no anaran’ilay maty teo an-dalantsara, izay mpiasan’ny naman’ilay Sinoa. Ilay Hery, izay voan’ny bala teo amin’ny lohany kosa, dia mpiasan’ilay Sinoa ihany ary vao niala tao aminy fotoana vitsy izay.

Fiarahana misotrosotro toaka teny Andavamamba no niarahan’ilay azo sambom-belona tamin’i Marco. Nahitana an’i Hery teny Ampefiloha dia niaraka izy telo lahy, nanohy nisotro toaka. « Tonga teny Behoririka, nandondona tao amin’ilay Sinoa ilay azo sambom-belona, narahin’izy roa lahy, samy niditra tao an-trano. Nafatony ny tompon-trano sy ny mpiasany sady novelesiny ka naratra mafy. Nisy nandre izany tany ivelany », hoy indray ny Kaomisera Velotsara Marcel, talen’ny borigady misahana ny heloka bevava.

Nifarimbona ny Polisy sy ny FIS tamin’ny fifehezana ity tranga tamin’ny alarobia lasa teo ity. Tsy nisy na inona na inona azon’ireo telo lahy satria tavela teny Behoririka ny vola saika hangalarin’izy ireo tamin’iny alina iny.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar