Misy raha ao

Behoririka : Saoferana taksibe mamo nandona fiara roa

Lundi 6 Juin 2011

Behoririka : Saoferana taksibe mamo nandona fiara roa
Ity tokoa ny hoe mamo niantso polisy. Rehefa avy nandona taksibe amin’ny zotra 163 ny taksibe iray hafa ao amin’ny zotra 105…

… teo Behoririka ny alarobia tolakandro teo, no avy hatrany dia nirimorimo namantana tao amin’ny paositry ny polisy etsy Antaninandro.

Avy hatrany dia nampidiriny tao an-tokontanin’ny polisy ny fiara, saingy nasain’ny tompon’andraikitra navoaka amin’ny maha tsy azo ijanonana ilay toerana. Rehefa nihemotra anefa izy dia nandona fiara iray nijanona teo an-tsisin-dalana indray.

Tamin’izay fotoana izay ihany dia voatery nanala ny mpandeha tao aminy ilay taksiben’ny zotra 163 ka nandeha nikaroka ity taksibe namoa-tsampona. Araka ny fantatra dia mamo ilay mpamily.

« Nilaza tamin’ny saofera aho fa nahadona ny fiarako izy, ka tokony hijanona, saingy notohizany ihany ny lalany. Vao avy nanamboatra fiara izahay tamin’io », hoy ny mpanampy ilay mpamily.

Voatery nifampiraharaha tamin’ny tompon’ireo fiara voadona ilay tompon’antoka tamin’ny fandonana.

B.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar