Misy raha ao

Betsiboka : Dahalo roa nandositra, maty voatifitra

Mercredi 22 Juin 2011

Tamin’ireo dahalo telo, voasambotry ny zandary tao Maria tany amin’ny faritra Betsiboka, dia maty voatifitra ny iray izay tafatsoaka rehefa notanana ny 13 jona tamin’ny 4 ora maraina.

Ny faharoa nitsoaka kosa voasambotry ny miaramila ao amin’ny DAS (Détachement autonome de sécurité), saingy mbola voatifitra ka namoy ny ainy ihany koa ny 15 jona.

Avy nangalatra omby izy ireo tamin’io andron’ny 13 jona vao maraimbe io. Afaka niporitsaka, nandositra ny namany iray tamin’izy ireo. Rehefa nataon’ny zandarimaria famotorana ireto voatana dia nivaky fa nafenina any Ankaraobato ny omby sy basy nangalariny.

Tany amin’ny distrikan’Ambato Boeny no nangalarany ireo omby.

Rehefa natao ny fisavana dia nisy fanamiana fitondra miady an’ny mpitandro ny filaminana roa sy karapanondro, tsy amin’ny anarany, izay tratra teny aminy. Manao andiany 35 lahy izy ireo rehefa manao fanafihana sady mitondra basy vita eto an-toerana ary efa nisy nigadra tao Maevatanàna.

Fantatra fa any amin’ny kijanan’Antamponkara no nanafenana ny basy sy omby halatra. Taorian’ny famotorana anefa dia nitsoaka nandositra ny iray. Tsy nety nijanona izy io, na nanaovana fampitandremana aza, ka maty voatifitra.

B.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar