Misy raha ao

Bevato Tsiroanomandidy : Miaramila nitifitra nahafaty olona

Vendredi 5 Août 2011

Namono olona indray. Raim-pianakaviana iray indray no maty notifirin’ny miaramila iray tany Belavenona-Bevato any Tsiroanomandidy.

Tao amin’ny biraon’ny fokontany no nitifiran’ilay miaramila kaporaly ity raim-pianakaviana ity. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy. Nosamborin’ny zandary avy hatrany kosa ilay miaramila.

« Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no nitrangan’ny fitifirana afak’omaly. Nampanantsoin’ilay miaramila io lehilahy io ho tonga ao amin’ny biraon’ny fokontany. Niafara tamin’ny fitifirana azy anefa ny resaka tao. Rehefa nanontaniana ny antony nahatonga azy hitifitra ilay miaramila dia nilaza fa ahiana ho isan’ireo dahalo nanafika ny tanànan’Ambatomitsangana kely ity lehilahy », hoy ny loharanom-baovao.

Mampitaraina ny mponina any ambanivohitra ny tranga tahaka izao ataon’ireo miaramila sasany ao amin’ny Das (détachement autonome de sécurité) izao. Natao hiaro ny vahoaka izy ireny kanefa misy ireo mihoa-pefy. Ny 25 jolay teo dia miaramila roa ihany koa no nanampatra fahefana tamin’ny mponina tany Marosakoa-Maevatanàna. Noteren’izy ireo handoa omby 30 sy vola an-hetsiny tamin’izy ireo ny mponina. Nandray fepetra avy hatrany ny manampahefana any an-toerana.

« Mbola misafotofoto ny vaovao mikasika ity raharaha ity tonga aty aminay. Nandefa iraka manokana any an-toerana izahay hanao fanadihadiana dia ho hita eo izay tena marina », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny seraseran’ny Tafika, raha nanontaniana momba ilay tranga afak’omaly tao Tsiroanomandidy.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar