Misy raha ao

Bisikileta - "Tour De Mada" : Mbola voatazona i Lanto Bulldozer ny akanjoba mavo

Mardi 13 Décembre 2011

Na dia tsy nahazo laharana voalohany tamin’ireo andiana roa notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo aza i Lantonirina Manjakazafy sy i Lanto Bulldozer dia mbola voatanany hatrany ny akanjoba mavo.

Mbola manana fepotoana 2’05’’ eo alohan’i Médéric Clain, izay mpifanandrina akaiky aminy eo amin’ity fihodinana am-bisikileta an’i Madagasikara ity. Omaly dia i Cedric Gasnier (teratany renioney) no nandrobaka ny andiany fahefatra, izay nihena ho 50 km raha tokony ho 75 km eo noho ny haratsian’ny lalana eo amin’ny fihodinana an’Ambalavao.

Tafiditra ho laharana faharoa tamin’izany i Herizo Andriamihaja, izay niara-niditra tamin’ny Jean de Dieu Rakotondrasoa na Ravoatabia. Anio dia ny lalana miholakolaka miala avy ao Fianarantsoa mihazo an’Ambositra no hifaninanan’ireo mpihazakazaka. Mahatratra 101 km ny halaviran-dalana amin’izany, izay hanjakan’ny fiakarana. Amin’ity dingana fahadimy ity vao tena ilana ireo mpianika tendrombohitra toa an-dry Emile Randrianantenaina, izay efa nahazo ny akanjoba mifandraika amin’izany tamin’ny dingana fahefatra teo.

Dina Razafimahatratra et Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar