Misy raha ao

Bisikileta – "Tour de Mada" : Nifindra any amin’i Lanto Bulldozer ny akanjobà mavo

Lundi 12 Décembre 2011

Manomboka miala any ireo mpihazakazaka malagasy. Nihoaran’i Lantonirina Manjakafy na i Bulldozer 4’15’’ i Médéric Clain, izay nisalotra ny akanjobà mavo tamin’ny ny dingana voalohany tany Toliara teo amin’ny fihodinana am-bisikileta an’i Madagasikara.

Nifindra any amin’iry mpivoy bisikileta malagasy avy any Antsirabe iry indray izany ny akanjobà mavo.
Efa tany amin’ny mpihazakazaka fahadimy tonga tao Sakaraha vao hita io teratany frantsay io ary mbola tafiditra teo alohany i Jean de Dieu Rakotondrasoa na Ravoatabia, izay efa nahazo andriany roa tamin’ny "Tour Cycliste International de Madagascar" (TCIM).

Teny amin’ny kilaometatra faha-18 no nanomboka nitsoaka i Lanto Bulldozer, izay nanararaotra ny fisahotahana kely teo amin’ireo ekipam-pirenena malagasy sy ireo ekipa frantsay. Nifandimby nitarika hatrany am-piandohana ireo tarika roa ireo tamin’izany. Teo dia efa nahatratra 8 minitra ny elenalena nisy teo aminy sy ny andiam-bisikileta nitarika ny hazakazaka.

"Efa hotazoniko hatramin’ny farany ity akanjobà mavo ity satria efa tao anatin’ny telo volana aho no nanao fanazarantena taty Fianarantsoa sy Morondava ary Antsirabe. Toy izany ihany koa ny tao Antananarivo", hoy i Lantonirina Manjakazafy, izay nisalotra fanamiana valo tamin’ireo nozaraina tao amin’ity dingana omaly ity.

Dingana roa lavalava avokoa no hotontosaina anio sy rahampitso. Hirefy 122 km ny halaviran’i Ranohitra mihazo an’Ihosy, izay hifanenjehan’izy ireo anio manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Rahampitso kosa dia hisy fihodinana ny tanànan’Ambalavao mirefy 25 km mialoha ny handehanana any Fianarantsoa amin’ny halaviran-dàlana 50 km.

Dina Razafimahatratra & Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar