Misy raha ao

Bisikileta – "Tour de Mada" : Tompondaka 2011 i Emile Randrianantenaina

Mardi 20 Décembre 2011

Emile Randrianantenaina (source photo : http://razafimahazo.free.fr)
Emile Randrianantenaina (source photo : http://razafimahazo.free.fr)
Voahosotra ho tompondaka 2011 teo amin’ny fihodinana am-bisikileta an’i Madagasikara fanindroany i Emile Randrianantenaina, izay mpihazakazaka tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy B.

Tamin’ny herintaona no efa nahazo azy ity zandrin’i Jean de Dieu Rakotondrasoa na Ravoatabia ity ary tsy mbola namelany ho azon’ny vahiny ny amboara tamin’ity andiany fahavalo tamin’ny Tcim 2011 ity. Laharana faharoa kosa i Alexis Tourtelot, izay mpihazakazaka avy any Atsimo Andrefan’i Frantsa, narahin’i Médéric Clain, izay mpiray klioba aminy ihany koa. Tany amin’ny laharana fahefatra vao hita i Lantonirina Manjakazafy, izay mpiray ekipa amin’i Emile sady nandrandrain’ireo namany fa hahazo izany.

Ezaka farany

Vokatry ny ezaka nataon’i Emile Randrianantenaina tamin’ireo dingana faramparany no nahazoany izao vokatra lehibe izao. Ny elanelam-potoana vitany, 8 minitra, tao amin’ny dingana fahavalo mampitohy an’i Miandrivazo sy Mandoto no nampiakatra azy teo amin’ny laharana voalohany. Taorian’io dingana io mantsy dia hainy tsara ny nitantana ny tombom-potoana azony. 26 ora 59’ 38’’ no fe-potoana namitany ny halavirana rehetra tamin’ity fifaninanana ity.

Raha ny vokatra mbola tsy ofisialy dia iray minitra mahery kely no elanelany tamin’ny laharana faharoa (Alexis Tourtelot). Mpihazakazaka 58 tamin’ireo 108 niainga tany Toliara sisa no tonga hatramin’ny farany nandritra ny fihodinana ny farihin’Anosy, nentina namarana ny dingana rehetra omaly.

Voninahitra lehibe ho an’ny Malagasy kosa ny tsy nivoahan’ny amboara teto an-tanindrazany.

Roméo Andriamihaja


N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar