Misy raha ao

Boriborintany fahadimy : Telo lahy tratra nifoka rongony teny Anjanahary

Lundi 10 Janvier 2011

Malaza ho faritra mena ny eny Anjanahary. Matetika no itrangan’ny fanendahana sy hala-botry samihafa. Leo amin’ny fitarainana azony ny sefo fokontany ka nanapa-kevitra nametraka vela-pandrika niaraka tamin’ny andiana polisy ao Anjanahary II O.

nitera-bokatra ny asa nataon’izy ireo tamin’ny alakamisy teo : Zatovolahy telo no tratra teo am-pifohana rongony teny amin’ny fasam-bahiny, eny Anjanahary.
« Nahatrarana fonosana rongony maromaro sy zavatra isan-karazany mampiahiahy koa tany amin’izy ireo, ka naterina eny amin’ny kaomisaria’ny Boriborintany, eny Antaninandro, nanaovana fanadihadiana omaly », hoy ny sefo fokontany Randrianarivony Nônô, mialoha ny hampiakarana azy Fitsarana. « Ankoatra ny hala-botry imeomenonan’ny olona, rehefa alarobia, eto amin’ny fokontaninay koa no ataon’ireo mpangarom-paosy lalana, fandosirana avy any an-tsenan’Andravoahangy », hoy ny sefo fokontany Anjanahary II N.

Sazy telo volana ka hatramin’ny herintaona an-tranomaizina no mety miandry izay tratra mifoka rongony ary mety mandoa lamandy 2 000 ka hatramin’ny 50 000 ariary.

B A
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar