Misy raha ao

By-Pass : Zandary teo aloha nangalatra fiara Mazda

Samedi 27 Août 2011

By-Pass : Zandary teo aloha nangalatra fiara Mazda
Fiaran’olona iray mipetraka eny Amboditsiry no nanaovan’ity lehilahy iray, zandary teo aloha, vela-pandrika.

Amidy ilay fiara ka ilay zandary teo aloha io no niseho hividy azy. Ny sabotsy teo no nanaovana andrana, teny amin’ny By pass. Olon-kafa no nanaraka azy ireo tamin’io fa tsy ilay tena tompony.

Mody nirahin’izy ireo hividy sigara ilay olona nanaraka teny an-dalana, ary dia nentiny nitsoaka ny fiara.

"Lany solika ilay Mazda ka tratra teny Tanjombato ny ampitso ihany. Mody milaza ireo mpangalatra fa mivarotra fiara ka nanaovana vela-pandrika. Nitsoaka ilay zandary teo aloha vao nahita ireo zandary teny an-toerana. Nisy ny fifampitifirana ka voa teo amin’ny tongony izy", hoy ny kapiteny Ravelomanana Tahiana, kaomandin’ny kaompanian’ny zandary Antananarivo renivohitra.

Tafaporitsaka ihany anefa izy, raha voasambotra kosa ireo namany roa. Ny iray tamin’izy ireo dia fantatra fa isan’ireo efa voasambotry ny zandary tamin’ilay raharaha nahafaty ny zandary Rasoanindray Herlys, teny Mahamasina, volana maro lasa izay.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar