Misy raha ao

CAF-fihaonana amin’ny Bidvest Wits : Fanafihana sy famonoam-baolina ny an’ny AS Adema

Lundi 4 Avril 2011

CAF-fihaonana amin’ny Bidvest Wits : Fanafihana sy famonoam-baolina ny an’ny AS Adema
Andrasana anio amin’ny roa ora ny delegasiona avy any Afrika Atsimo mandrafitra ny ekipan’ny Bidvest Wits, izay hihaona amin’ny AS Adema mandritra ny lalao miverina ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona dingan’ny 1/16-n-dalana.

« Fanafihana laroina famonoam-baolina voalohany no ataonay manritra an’io fihaonana io. Rehefa to izany dia manamafy ny fiarovantena amin’izay », hoy i Nirina Andrianoelison na Raniry, mpanazatra ny AS Adema.

Mpilalao 16 monja no hoentin’ity ekipan’ny Bidvest Wits ity eto amintsika, araka ny efa nampanantenain’izy ireo ary ao amin’ny trano fandraisam-bahiny Colbert izy ireo no hipetraka. « Tsy maintsy manonitra ny fandraisana tsara nataon’izy ireo taminay izahay eto », hoy i Yves Marius Randriamialisoa, filohan’ny AS Adema tetsy amin’ny GR Anosivavaka, omaly. Nofenoina ho 18 ny isan’ny mpilalao ho an’ny AS Adema. Saika ireo nankany Afrika Atsimo nandritra ny lalao mandroso avokoa no nalahatry ny mpanazatra Raniry sy Johnny amin’ity.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar