Misy raha ao

CEMGAM Andohalo : Maty tao anatin’ny trano fiambenany ny miaramila iray

Vendredi 17 Juin 2011

Taitra ny lehiben’ny fiambenana eny amin’ny foiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika, eny Andohalo ny talata teo…

…tamin’ny 4 ora sy fahatelony, fa efa maty tsy miaina intsony tao anaty trano fiambenany (Guerite) ny miaramila iray, izay napetraka niambina ny vavahady fidirana.

Kaleno Trabonjy Farakalo no anarany, miaramila kilasy faharoa avy amin’ny 1er RTS izy, no nantsoina niasa eny Andohalo. Sady mpiambina ny fonenan’ny Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika ihany koa ity miaramila ity.

Teo amin’ny fanadihadiana nataon’ny zandarimaria, eny amin’ny Borigady Antananarivo renivohitra, no nambaran’ny lehiben’ny fiambenana fa nandray anjara raharaha nanomboka tamain’ny 4 ora maraina io miaramila io, “2e quart 3e faction”, ny talata 14 jona maraina.

Niaraka nanao ny fanadihadiana teny an-toerana tamin’ny Borigadin’ny zandarimaria Antananarivo renivohitra ny dokotera iray. Nambaran’ity farany, araka ny tatitra nataon’ny Zandarimaria, fa fahafatesana voajanahary no nahafaty ilay miaramila.

Rehefa nojerena dia mbola teny aminy ihany ny basiny ary tsy nisy nanimbinana ny anjara-balany.
Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar