Misy raha ao

Dian’ny filohan’ny hat tany afrika : Nanely tsaho ireo mpanamory, fa olana teknika no nahazo ilay fiaramanidina

Vendredi 6 Mai 2011

Dian’ny filohan’ny hat tany afrika : Nanely tsaho ireo mpanamory, fa olana teknika no nahazo ilay fiaramanidina
Olana ara-teknika fa tsy hasomparana, araka ny fanambaràna avy tamin’ny fiadidiana ny Fahefana avon’ny tetezamita tany am-boalohany...

...no nanjo ilay fiaramanidina tokony nitondra ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina tany Zambie.

Io no valin’ny fanadihadiana izay nanaovan’ny jeneraly Richard Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy, tatitra teny Ankadilalana omaly.

« Ny « calculateur » no nisy fahavoazana araka ny tatitry ny manam-pahaizana manokana nijery ilay fiaramanidina. Tsy tokony hisy fiantraikany any amin’ny fisidinana loatra anefa io fahavoazana io raha ny tatitra ihany. Porofon’izany dia 30 minitra taorian’ny nipetrahan’ilay fiaramanidina teny Ivato dia nikasa ny handeha ho any Dubai efa hanainga mihitsy no nosakanana ireo vahiny », hoy ihany ny kaomandin’ny Cirgn Antananarivo.

Voalaza fa saika tsy nety natao famotorana ireo mpanamory teratany amerikanina roa lahy. Fihetsika izay mampiahiahy ny mpitandro ny filaminana izany.

Raha ny voalazan’ny jeneraly Ravalomanana ihany dia niaiky ireo mpanamory fa « tsy nety ny filazana nataon’izy ireo tamin’ny voalohany ny amin’ny fanambaràna ny fisian’olona niditra mialoha tao amin’ilay fiaramanidina ». « Azo enjehina ho mpamiely vaovao tsy marina ilay kaomandàn’ny fiaramanidina », hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny zandarimaria ity.

Raha ny fanazavana nentin’ireo mpitandro ny filaminanana ihany dia voafetra ny fahafaha-nanara-maso ny finday nampiasain’ireo mpanamory satria laharana mpandraharaha amin’ny finday avy any ivelany no nampiasain’izy ireo. « Azo nohamarinina kosa anefa fa olona telo avy any ivelany no nifandray tamin’ilay mpanamory », hoy kosa ny commissaire divisionnaire Velontsara Marcel, talen’ny famotorana eo anivon’ny polisim-pirenena.

Ny 29 avrily ihany dia efa niala teto Madagasikara ilay fiaramanidina niaraka amin’ireo mpanamory roa. Azo enjehina eo amin’ny tribonaly sivily noho ny fanapahana fifanarahana ihany koa ireto farany, raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar