Misy raha ao

Diso faly loatra : Gadra afaka tataky ny vakin-tavoahangy

Mercredi 10 Août 2011

Safononoky ny hafaliana ny lehilahy iray , fa tafavoaka ny fonja rehefa nigadra 6 taona, ka nibitabitaka teny an-dalana.

Sendra nahitsaka vakin-tavoahangy anefa izy, ka tataka be ny felan-tongony havanana. Voatery nozairina tao amin’ny Hjra omaly. Tamin’ny zoma teo izy no nivoaka ny fonja. Monina any Amberomanga, atsimon’i Mananasy, any Soavinandriana Itasy izy. Efa nigadra roa taona tao Miarinarivo no nafindra taty Antanimora.

« Noendrikendrehana ho nandoro tranon’olona roa nifanakaiky tamin’ny tany, vao avy novidiako tamin’ny vidin’omby roa aho. Nodorako ilay tany mba hanadiovana azy. Efa maty ny afo nataoko. Tamin’ny 8 ora alina vao nirehitra ilay trano nolazaina fa nodorako », hoy izy. Izy sy ny rahalahiny no saika nigadra fa izy no nilanja an-tsitrapo ny sazy mba hahazoan’ny rahalahiny mikarakara ny any an-tanàna. « Mahandro ny sakafon’ny olona manamanana teny am-ponja no nivelomako.

Izaho aho mba tafavoaka aty ambon’ny tany ihany. Mamy ny afaka », hoy izy, vonona handeha an-tongotra hiverina any aminy.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar