Misy raha ao

Fahafatesana tsy Mazava : Tovolahy iray hita nivalampatra tao anaty tatatra

Lundi 30 Janvier 2012

Fahafatesana mifono mistery. Iray amin’irony tovolahy miakatra eto an-drenivohitra avy any ambanivohitra noho ny fitadiavana irony ity tanora lahy vao 20 taona, hita faty teny amin’ny lakan-drano ambany andrefan’i Manjakaray ity.

Ny alakamisy alina hifoha zoma izy no nisy nahita tao anaty tatatra feno rano maloto, mifandray amin’ny Marais Masay iny. Nentin’ireo rahalahiny, izay miara-monina aminy teny amin’ny sampana fameloman’aina teny amin’ny Hjra haingana izy tamin’ny 6 ora maraina, saingy efa tapitra ny ainy vao tonga teny.

« Vao roa volana izy io no niakatra teto Antananarivo, mivarobarotra eny. Na ny adiresiny misy azy aza tsy mba fantatray akory », hoy fitantaran’ny anabaviny, izay niakatra aty an-drenivohitra, avy any Alatsinainy Bakaro, raha vao nandre izao tranga mampalahelo izao. « Gaga fotsiny izahay nandre azy latsaka tany anaty tatatra. Mety nisy nanosika ve sa efa nisy namono vao nisy nandefa tao ? Tsy mazava aminay izay tena nahazo ity havanay ity », hoy ny anadahin-dreniny. Nokarakaraina ny taratasy rehetra hahazoana mitondra ny razana, izay mbola any Ambatomadinika, any Alatsinainy Bakaro, any amin’ny 80 km avy eto an-drenivohitra no handevenana azy. Tsy mbola nahavita karapanondro akory izy talohan’izao nahafatesany izao.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar