Misy raha ao

Fahamaizana tao amin’ny « Braderie » : Tombanana ho Ar 400 tapitrisa ny fahavoazana

Mercredi 6 Avril 2011

Ramanantsoa Harilala, talen’ny « Madavision », mpikarakara ity hetsika ity... (source matv.mg)
Ramanantsoa Harilala, talen’ny « Madavision », mpikarakara ity hetsika ity... (source matv.mg)
Omaly no natao ny famotorana ireo rehetra voakasika tamin’ny fahamaizana nitranga tao amin’ilay hetsika ara-barotra « La Grande Braderie se Madagascar » tao Mahamasina, ny alahady vao mangiran-dratsy.

Araka ny loharanom-baovao manokana dia manodidina ny Ar 400 tapitrisa ny teti-bidin’ireo entana rehetra may tamin’ireo tranoheva 14 rotiky ny afo.

« Ny fihainoana andiany voalohany ho an’ireo rehetra voakasik’iny fahamaizana iny no efa vita. Tafiditra tao anatin’izany ny mpikarakara ny hetsika, ny tompon’andraikitry ny herinaratra, ireo mpiambina ny tranoheva ary ireo tompon’ny tranoheva may. Ny polisy misahana ny heloka bevava no hanohy ny famotorana », hoy ny mpitandro ny filaminana nanao ny famotorana tapany voalohany omaly.
Araka ny tsilian-tsofina mantsy dia nampiahiahy ny antony nahatonga ity zava-doza ity.

Tokony ho tami’ny 1 ora sy sasany maraina no tsikaritra voalohany ny firehetana tamin’ireo tranoheva. Tamin’ny 2 ora no naharay antso ny mpamonjy voina. Haingana ny fiitaran’ny afo satria tamin’ireo tranoheva dia akanjo sy akora fikojakojana endrika amam-bika ny ankamaroan’ireo entana tao.

« Hatramin’izao dia tsy mbola manana tarehimarika azo lazaina mikasika ny tetibidin’ireo entana may izahay », hoy kosa Ramanantsoa Harilala, talen’ny « Madavision », mpikarakara ity hetsika ity.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar