Misy raha ao

Famahana krizy : Hampitovy fijery amin’ny resaka fifidianana ny Sadc

Mercredi 15 Décembre 2010

Famahana krizy : Hampitovy fijery amin’ny resaka fifidianana ny Sadc

Mihamazava. Nambola mitoetra aza ny fitakiana fifanarahana politika eo amin’ny ankolafy rehetra eto amin’ny firenena, dia efa mitodika any amin’ny fampitoviana tadin-dokanga eo amin’ny resaka fifidianana ny Sadc.
« Ny tanjona dia ny fanatanterahana fifidianana malalaka, azo antoka ary heken’ny rehetra, indrindra ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Efa misy ny fitadiavana ny lalana hahafahana miroso amin’izany », hoy ny Dr Leonardo Simao, iray amin’ny iraky ny Sadc izay mandalo indray eto amintsika ankehitriny.
Mitandrina mafy amin’ny teny navoakan’ny vavany izy, isaky ny avy mandray vahiny tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina, omaly hariva. Nohamafisiny tokoa fa « isan’ny asa tsy maintsy hatao ny fahazoana fifanarahana eken’ireo hery politika rehetra mikasika izay fifidianana hatao eto Madagasikara ».

Ratsirahonana sy ny masoivoho…

Nihaona tamin’ny Dr Leonardo Simao voalohany tetsy Antaninarenina i Norbert Lala Ratsirahonana, mpikambana ao amin’ny Cst sady mpanolotsaina manokana ny Filohan’ny Hat. Tsy nisy nipika ny resaka. « Mbola tsy misy zavatra azo resahina aloha satria dinika tsy ofisialy no natao tao ka tsy mbola azo avoaka », hoy fotsiny izy, sady nizotra moramora nihazo ny Lapan’Ambohitsorohitra. Taorian’izany dia isan’ireo noraisin’ity iraky ny Sadc ity ihany koa ny Pr Alain Tehindrazanarivelo.
Omaly maraina dia nandray ny solontenan’ireo masoivoho vahiny monina sy mipetraka eto Madagasikara izy. Tsy nisy akony ihany koa io diniky ny samy vahiny io, saingy raha ny tsilian-tsofina re omaly dia isan’ny nodinihina tamin’izany ny fomba hametrahana ilay biraom-pifandraisana iraisam-pirenena ho fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.
Anio dia ny Pr Zafy Albert sy ireo mpikambana eo anivon’ny Escopol no horaisin’ny Dr Leonardo Simao. Tsy mbola fantatra kosa ny fandaharam-potoana ho an’ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana. Ny alakamisy izao no voalaza fa handao an’i Madagasikara ireto delegasion’ny Sadc ireto.

J R
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar