Misy raha ao

Famahana ny krizy : Hiara-hiasa ny Escopol sy ny ankolafy Ravalomanana

Jeudi 30 Décembre 2010

Famahana ny krizy : Hiara-hiasa ny Escopol sy ny ankolafy Ravalomanana
Hita ho miazakazaka indray ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato. Omaly dia nisy ny fivoriana niarahan’ny Escopol sy ny Ankolafy Ravalomanana tetsy amin’ny foiben’ny antoko Tiako i Madagasikara tetsy Bel’Air.

Izany no natao dia noho ny fangatahan-dry zareo avy ao amin’ny Escopol izay tarihin’Atoa isany Alain Andriamiseza, Marcel Aimé ary Paul Mpody. Nambaran’Atoa Marcel Aimé fa « noho ny fisokafana sy ny fahavononana misy teo amin’ny ankolafy Ravalomanana no nahatonga anay nanatona azy ireo sy nanontany ny heviny mikasika ny fiaraha-miasa azo atao amin’izao fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena izao ». Tao anatin’ny adihevitra izay niarahana dia tsapa ny fahavononan’izy ireo hiara-hiasa na dia vao fanombohany ihany aza izao, hoy izy nanohy ny teniny. Tetsy andanin’izany , nohamafisin’Atoa Mamy Rakotoarivelo avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana fa « dinika savaranonando ihany izao iarahana amin’ny Escopol izao mba hivoahana amin’ny krizy efa naharitra herintaona mahery kely ity. Manampy izany dia te hihaino ny fijerin’ny Escopol ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ihany koa izahay, mba hahafahana mampijoro ilay tetezamita irahana sy eken’ny rehetra ».

Nandritra ity fihaonana ity dia tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny roa tonta. Fa ny zava-dehibe tamin’ity fivoriana omaly ity dia, ny fananganana miaraka ny « comité restreint » hamolavola sy hamaritra izay mety ho fitohizan’ny dinika any aoriana mba hamoahana vahaolana iray lehibe amin’ny krizy. Nohamagisin’Atoa Mamy Rakotoarivelo fa « dinika ifanaovana rehetra amin’ny antoko politika hafa dia, efa nahazoana fankatoavana avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana avokoa ». Ankoatra ity fihaonana tamin’ny Escopol ity dia efa nisy ihany koa ny dinika nataon’ny Ankolafy Ravalomanana tamin’ireo antoko politika hafa toy ny UDR, TGV ary Escopol tarihin’Atoa Benjamina Ramanantsoa. Anton’izany dia ny fanatanterahana ny tolokevitra avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena ny amin’ny hampivelarana bebe kokoa ny fikaroham-bahaolana amin’ny krizy eto amintsika.

M R
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar