

Isaoran’ ireo Filoham-piangonana efatra eo anivon’ ny FFKM ny finiavana nasehon’ ireo Filoha dimy mirahalahy tamin’ izany. Ankasitrahana indrindra koa ny fanamorana ny fihaonana izay nataon’ ny Fitondram-panjakana.

Ny filamatry ny 4F dia natao hanampiana ny mpiantsehatry ny Fampihavanana sy ny Fanarenam-pirenena rehetra mba hanananyny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fijery madio ilaina mba hisian’ ny fifanakalozana sy ny finiavana madio handrosoana ho amin’ ny fanatsarana hatrany ny fiainam-pirenena.

- Tsy mandrefy ny fahadisoako amin’ ny an’ ny hafa aho.
- Miaiky ny heloko aho satria manimba ny fifandraisako amin’ Andriamanitra sy ny mpiray tanindrazana amiko izany.
- Tsy miandry ny hafa hiaiky ny helony amiko aho vao hiaiky heloka koa.
Niainga tamin’ ny fanontaniana 33 izay mitsinjara lohahevitra 4 (Tanjona ankapobeny, Zava-kendrena, Rafitry ny Fampihavana-pirenena, Fepetra hampahomby ny asa ho tanterahana) ny dinika ary mbola hitohy amin’ ny 15 Janoary 2015 ny fivoriana aorian’ ny fandalinana sy famaliana ireo fanontaniana ireo. Ny fanontaniana dinihina dia fandravonana ny dinika natao tamin’ny dinika 3, 4 sy 5 Mai 2013 tao amin’ ny CCI, Ivato.

Amin’ny anaran’ny FFKM
Source : facebook.com/compresidencemadagascar