Misy raha ao

Fanampian’ny Alfa : Hifamerina ny As Adema sy ny Tana Formation

Lundi 18 Avril 2011

Fanampian’ny Alfa : Hifamerina ny As Adema sy ny Tana Formation
Hiezaka ny hanonitra ny fahavoazany tamin’ny lalao tsapa ny 23 janoary lasa teo ny AS Adema anio, etsy amin’ny kianjan’Alarobia.

Hifamerina amin’ny Tana Formation FC, izay nandresy azy ireo tamin’ny alalan’ny isa 3 no ho 1 ity ekipan’Ivato seranana ity amin’izany.

Tafiditra amin’ny lalao mandroso ho an’ny fifaninanan’Analamanga, izay tsy vita tamin’ny andro faharoa izy ity. Etsy an-danin’izany ihany koa, natao hitadiavana vola hanampiana ity solontenan’i Madagasikara eo amin’ny fifaninanana afrikanina ity ihany koa io lalao io.

« Omena manontolo ny ekipan’ny AS Adema ireo vola rehetra voaangona amin’izany », hoy i Henintsoa Rakotoarimanana na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga ho an’ny baolina kitra.

« Tsy hanan-kery avokoa ireo karatra rehetra amin’ny lalao ity mba hanampiantsika ity ekipa hiatrika ny ampahavalon-dalana ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona io. « Ekipa nivoaka teto amin’ny ligin’Analamanga ny As Adema, ka rariny isika rehetra mpijery baolina rehetra avy eto raha hanampy azy ireo », hoy ihany izy.

Mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra ho an’io lalao io no hanolorana izany vola izany ho an’ny ekipan’Ivato. Hialoha izany lalaon’ny Ajesaia sy ny Cosfa. Hovitaina koa ny lalao famaranana ho an’ny sokajy vehivavy. Noferana ho 2 000 Ariary ny saram-pidirana ka ireo ankizy latsaky ny 5 taona ihany no tsy mandoa vola, hoy ny nambaran’ny filohan’ny ligy Alfa.


Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar