Misy raha ao

Fanaovana hosoka : Vola azo tamina seky halatra, nividianana môtô telo

Vendredi 10 Juin 2011

Fanaovana hosoka : Vola azo tamina seky halatra, nividianana môtô telo
Nividy môtô telo vaovao be avy hatrany ireto lehilahy telo, voatondro ho niray tsikombakomba tamin’ny fangalarana taratasim-bola tao amina fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG) iray eto an-drenivohitra.

Môtô vaovao roa avy hatrany no novidian’izy ireo tamin’ny taratasim-bola voalohany. Irony karazany tsy mataho-dalana, avo dia, irony izany.

Efa azo mihitsy ireo môtô ka ny iray nafenina tany amin’ny tanànan’ny iray tamin’ireo voarohirohy ho niray petsapetsa tamin’ity raharaha ity. Ny môtô iray kosa voatana tany amin’ny Polisy fa tsy nanana taratasy fahazoan-dalana mitondra ilay nitondra azy.

Tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa ny tany amin’ny banky. Hain-dry zareo tsara ny naka tahaka ny sonian’ny talen’ilay ONG. Tamana ry zareo ka mbola handeha hividy môtô vaovao fanintelony.

Teo vao niantso ilay talen’ny ONG ny tao amin’ny banky, nanontany fa tsy ampy intsony ny kaontim-bola raha hanesorana 4 tapitrisa ariary, vola saika halain’ireo olon-dratsy, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria.

Nikoropaka nanao fanakanana haingana ny tompon’ilay taratasim-bola ka nakariny tany amin’ny zandarimaria ny fitarainana. Famitahana kely ihany dia nahatratrarana ireo voarohirohy. Nasaina nalain’ireto « mpividy » ilay môtô vaovao fa efa vonona amin’izay.

Noraisim-potsiny teo izy ireo, ka tsy afaka nandà intsony. Tsy iza izy ireto fa ny mpiambina tao amin’ilay ONG ihany ny iray. Namany kosa ireo roa lahy voarohirohy hafa. Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha ka notanana vonjimaika eny Antanimora izy telo lahy.

Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar