Misy raha ao

Fanokafana ny lalao : Resin’ny siotsioka ny kabarin’ny Praiministra

Vendredi 19 Août 2011

Fanokafana ny lalao : Resin’ny siotsioka ny kabarin’ny Praiministra
Siotsioka, horakoraka sy kotaba no nasetrin’ireo mpijery an’aliny tonga tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena ny anjara fandraisana fitenenana ho an’ny Praiminisitra, ny Jeneraly Camille Vital.

Tsy nisy re intsony ny votoatin’ny kabary.

Na izany aza dia nambaran’ny Praiministra fa tombony ho an’ny Malagasy izao fampiantranoana ny dingana ambony indrindra amin’ny taranja basket ball sokajy lehilahy, aty Afrika izao. "Porofo izao fa tsy mihemotra fa mandroso hatrany ny fitondrana tetezamita", hoy ny Jeneraly Camille Vital.

Nisaorana manokana ireo mpijery tonga marobe, izay manaporofo hatrany ny fankafizan’ny Malagasy ny taranja Basket. Efa tany amin’ny farany efa eo amin’ny andalam-pitenenana nanokatra ny lalao, vao re tsara ny feon’ny Praiministra ary niara niredona taorian’izany ny tehaka mireforefotra.
Tsiahivina fa efa tratry ny toy izao koa ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, nandritra ny fiadiana izay ho tompon-dakan’i Afrika sokajy vehivavy ny taona 2009 lasa teo.

Andry L
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar