Misy raha ao

Farafangana : Kamiao nivadika namono olona fito

Lundi 26 Septembre 2011

Olona fito no maty tamin’iny fivadihan’ny kamiao ny Tafika iray, voalaza fa nitatitra vato kristaly tamin’ny lalana mampitohy an’i Vondrona sy Farafangana, amin’ny lalam-pirenena faha-27.

Ny alakamisy 22 septambra lasa teo tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro, tao Analavelo ao amin’ny fokontanin’i Vohimasina, 8 km tsy hahatongavana ao Farafangana no nitragan’izany. Fahavakisan’ny kodiarana roa tao aoriana no voalaza ho nampivadika ilay kamiao, ka nahatonga ity lozam-piarakodia niteraka fahafatesan’olona marobe ity. Nisy 52 koa ny isan’ny naratra ka tsy naharaka ny mpitsabo sy mpandidy tao amin’ny hopitaly, ao Farafangana, fa voatery niantso vonjy tamin’ny mpitsabo any Antsirabe sy Ambositra.

Nipetraka teny an-dalantsara

Tery dia tery ny hopitaly ao Farafangana teo anatrehan’ny habetsahan’ireo naratra, izay natsaboina ka misy napetraka hatreny an-dalantsara, hoy ny vaovao napitain’ny eny anivon’ny Zandarimaria. Araka ny re avy any an-toeranaindray dia voalaza fa olona sendra nanakana teny an-dalana ny ankalaroan’ireto.

Voararan’ny lalana mifehy ny fifamovoizanana ny fitondrana olona amin’ny kamiao, kanefa noho ny tsy fahampian’ny fitaterana amin’ny toerana saro-dalana sy tsy ahitana fiara firy mivezivezy toy ireny dia ikipiana ihany izany matetika. Ny hitrangan’ny loza toy izao no sorohin’ny lalàna.

Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar