Misy raha ao

Faritra Sofia : Nifampitana ny atleta sembana sy ireo salama vatana

Samedi 10 Décembre 2011

Tsy misy fahasembanana ny fanatanjahantena.

Nanatanteraka fihaonana ara-panatanjahantena ireo olona manana fahasembanana tao amin’ny faritra Diana, ny 3 desambra lasa teo, daty nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ireo olona tra-pahasembanana. Ny kianja Chicago tao Soafeno Antsiranana no nampiantrano ny lalao, toy ny hazakazaka am-bisikileta kodiaran-telo sy ny seza mikorisa ary ny basket-ball sy ny ‘’bras de fer’’.

Isan’ireo atleta nisongadina i Dovique Sperien, izay mbola nanaporofo ny maha sangany azy amin’ny hazakazaka am-bisikileta kodiaran-telo sy ny ‘’fauteuil roulant’’.

Teo amin’ny taranja basket-ball amin’ny seza mikorisa dia nandresy ny Scouts ireo mpilalao sembana ara-batana avy ao amin’ny AMIS. Nanatrika ity lalao ity ny ekipa avy any Toliara, izay vao nandrobaka ny amboaran’ny tompon-dakan’ny Ranomasimbe Indianina farany teo.

Raheriniaina
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar